Nifanatrika tamin’ireo depiote eo anivon’ny Antenimierampirenena ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny fikaonandoham-pirenena.
“Nahitsy ny fomba fiasa : nanapaka ny Filohan’ny Fanavaozana, hamafisina fa ny FFKM no mitarika manontolo ny fikaonandoham-pirenena”. Io ny fanazavan’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, tamin’izany. Omena ny FFKM ny asa rehetra nankinina tamin’ny minisitera Fanavaozana momba ny fanatanterahana ny fikaonandoha. Manaraka sy manamora ny asan’ny FFKM io minisitera io, ary ny Primatiora no manao ny fitarihana amin’ny maha politikam-panjakana azy : an’ny Malagasy ny fanavaozana. Efa mitsangana ny komity mpitarika ny fanorenana ifotony. Amin’ ny farany vao hojerena ny fandrafetana ny fanirian’ny Malagasy ho volavolan-dalàmpanorenana. Amin’ity volana ity no hanomboka ny fikaonandoha, ihazonana ny tetiandro nomena ny Sadc sy ny vahoaka. Andrasana ny programan’ny FFKM ny amin’izany. Ny governemanta no miantoka ny enti-manana rehetra hanatanterahana ny fikaonandoha.
Famaliana ireo filana fototra
Iraka nomen’ny filohan’ny Fanavaozana ny governemanta koa ny hamaly an’ireo filana fototra sy maikan’ny vahoaka. Eo ny famatsian-jiro sy rano: vita, ohatra, ny fanatsarana ny fampidiran-drano tany Itaosy sy Ivandry. Ny fitokanana ny fahatongavan’ny rano any Andranogoa avy any Mandrare. Efa natomboka ny tetikasa fitarihan-drano ao Andranogoa mankany Ambovombe, hotokanana amin’ny faran’ny volana. An’arivony ny jiro tafaverina an-tokantrano any Toamasina, taorian’ny rivodoza Gezani. Hialana ny fiankinandoha amin’ny solika amin’ny famatsian-jiro. Maro ny mpandraharaha vonona hanao toby famokarana herinaratra amin’ny masoandro. Laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana RN 7 sy RN 2 ary ny RN 4, tena mamelona ny toekarena. Efa notokanana ny ampahany vita amin’ny RN10 sy ny RN13, hovitaina amin’ny mars sy avrily 2028.
Anio no hamaly ny fanontanian’ireo depiote ny mpikamban’ny governemanta.
R. Nd.




