Mpisandoka fitiavana

 

Mipoitra ny angaredona etsy sy eroa, manohana ny fitondrana sy ny fiandrianam-pirenena. Miaka-pofona ny antoko politika. Manangatra ny  fikambanana isan-karazany. Mampiaka-peo ireo mihevitra ho tompon’ny tolona sy nametraka ny Fanavaozana. Milaza ho tsy mila fijabajabahan’ny firenena avy any ivelany sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Mazava ny zotra, tompon’ny lakile tsy azo hozongozonina.
Manoloana izany, hita taratra ho mifanohitra be ihany ny zava-misy.  Ny Filoha mihitsy anefa no nanatrika ilay fotoana namoahana fanambarana sy nakana fanapahan-kevitra maha be resaka. Ny mpandrehitra sy miara-mikopaka afo ihany no mihazakazaka mamono ny afo. Ny mpiray tendro mpanangana olana no milaza fa mesia mitondra vahaolana. Tsy hita izay andraisana azy fa dia arahina tsimoramora ny fitopatopan’ny onja.
Raha ny toe-javamisy, mila fahasahiana mijoro hatrany am-boalohany rehefa manao zavatra ho an’ity Madagasikara malalantsika ity. Mila mametraka mazava ny maha tany masina azy. Tsy sehatry ny fiovaovan-kevitra na ny fifanipahana an-toerana eto fa ho sehatry ny fahamatorana sy ny fitiavan-tanindrazana marina. Tsy natao ho an’ny mpilavoatsiary, andaniny, tsy ho an’ny mpanoha-randrana, ankilany. Firenena natokana ho an’ny  lahatra fa mila fanavaozana sy fiovana  tena izy i Madagasikara.
Tsy vitan’ny vavabe avy amin’ny mpisandoka fitiavana an’i Madagasikara izany fa mila fahadiovam-po. Tsy ny goaika antitra mitady sera, na ny very toerana mitady seza ka bevava no tia tanindrazana. Mila olona vonona tsy mitady takalony. Indrisy anefa, mbola lavitry ny afo ny kitay. Mbola maro an’isa  ny baikoin’ny tombontsoa manokana. Betsaka ny mihazakazaka mikaroka izay ho an’ny ankohonany sy ny fianakaviany. Mirangorango toa mamba noana. Mitady harapaka rehefa elaela tsy tazana.

r.r

Partager sur: