INDRAY MIJERY

Inona ny mety hiandry antsika mandritra ny taom-pahavaratra 2026–2027? Araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, mety hitovitovy amin’ny fahavaratra ny taona 1982/1983 ny fikorontanan’ny rotsakorana mandritra ny fahavaratra ho avy. Izany hoe, misy faritra mety ho voakasiky ny tranga mahery vaika toy ny tondradrano na fiakaran’ny renirano mandritra ny fotoana fohy. Ny faritra sasany kosa mety hisedra fanamby goavana amin’ny tsy fahampian’ny rotsakorana. Ho marolafy, araka izany, ny dona sy ny mety ho fahavoazana ho aterany amin’ireo sehatra sy toerana isan-tsokajiny. Na izany aza, mbola arahi-maso miandalana hatrany izany. Misy ny fiankinana amin’ny tranga hafa, toy izay voatonona teo ambony, ary mbola voafetra ny vinavina lavitr’ezaka momba ireo: ny rivodoza sy ny rotsakorana betsaka izay ateraky ny tranga “ilaifito” na ZCIT.

Niainga tamin’ity herinandro ity ny “Caravane du Sourire”. Hetsika hizotra mankany amin’ ny tapany atsimon’ny Nosy: Ambohibary-Antsirabe II, Andrano­ma­fana-Betafo, Manorosoa-Ambositra, Kianjandrake­fina-Ambositra, Manakara ary Ivato-Vohipeno. Hanam­py sy hanao tantsoroka ny asa sy ny ezaky ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny fanolorana ireo tolotra tsara kalitao ho an’ny isam-batan’olona ho fisitrahana fitsaboana sy tolotra ara-pahasalamana mandritra ny fandalovany amin’ireo faritra telo.

Partager sur: