Mihanta loatra

Raha misy angamba andrimpanjakana manao izay danin’ny kibony dia ny antenimierampirenena. Raha misy mpitondra na manampahefana maro tsy mahafehy ny asany dia ny solombavambahoaka. Raha misy ny ataon’ny mpanao politika fitaovana dia ny olom-boafidy. Saingy, tandremo kely fa ireo no tompon’ny lakile eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Izay rahonany amin’ny vavabe sy ny fandrangarangana ny fahafahana manozongozona dia mihazakazaka amin’ny « malety ».
Taratra iray mampisongadina izay toe-javamisy izay ny fandaniana an-jambany ny lalàna, indrindra ny tetibolam-panjakana. Taiza teto ambonin’ny tany no misy lalàna tsy novakiana dia lanin’ny tsangan-tanana. Tampoka avy eo miverin-dalana rehefa tratran’ny kiana. Tsy natao ho fanabatiana, na natao hifanomezan-tsiny akory ny filazana ireo fa entina hampisainana ny olom-boafidy rehetra. Mba ho olona manana ilay fanahy mahay mandanjalanja sy afaka mitondra hevitra matotra izy ireny.
Hatramin’izao, tsy mbola hita ifanomezan-tsiny mihitsy ny tsy fahafehezan’ny sasany ny asa raha ho an’ny andrimpanjakana sasany. Ankoatra ny hosoka sy ny fisandohana fahaizana, manjaka ny herin’ny vola. Na ny fepetra farany ambany takina amin’izay hamolavola lalàna eto amin’ny firenana aza mampametra-panontaniana. Sady mampihomehy no mampalahelo, misy na ny manoratra ny anarany aza manahirana azy. Tsy hay vakina toy ny soratra mpitsabo manoratra taratasim-panafody.
Sanganehana hatramin’ny filohany mamaky izany. Asa na tena tsy fahaizana manoratra, na fanahiniana tsy ho fanajana ny lehibe. Raha fehezina ny ao Tsimbazaza, diso ampihantaina loatra ireo solombavambahoaka. Noho ny tahotra, andaniny; fa noho izy ireo azo akisakisaka arakaraka izay mahametimety ny mpanatanteraka fotsiny, ankilany. Vitavita ho azy eny ilay raharaham-pirenena raha mbola tsy misy sivana ao an-dapa ao!

r.r

 

Partager sur: