Toe-draharaham-pirenena : Mitaky fandraisana andraikitra haingana ny MMM

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Na­naitra ny rehetra sy nanao antso avo ny tenany tamin’izany.
Nambarany fa mahazo vahana tanteraka ny fandikan-dalàna amin’ny endriny samihafa eto amin’ny firenena, in­drindra rehefa mandalo va­nim-potoana tahaka izao. «Mi­taky ny fandraisana andraikitra haingana sy anatin’ny fo­toana fohy avy amin’ny rehetra izany mba tsy hiroaroa saina ny olom-pirenena», hoy izy.
Nanteriny tamin’izany fanehoan-keviny izany fa tena tsy mora ny lalana mizotra mankany amin’ny fanavaozana. Mbola ho eo hatrany ny tsy fankasitrahana sy ny tsy fitovian-kevitra. «Mbola ao koa ireo tsy maty voalavo an-kibo. Na eo aza anefa izany rehetra izany, tsy maintsy apetraka ho lohalaharana hatrany ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy», hoy ihany izy.
Anisan’ny notsiahiviny fa mbola maro ny fanovana an­drasan’ny olom-pirenena amin’izao faha-66 taona, aty ao­riana, niverenan’ny Fahaleo­vantena izao. Fotoana hanehoantsika ny tena fitiavan-tanindrazana izao, raha ny nambarany. «Hiara-kisalahy isika ho amin’ny fanavaozana ny firenena. Hiaraka hanangana Madagasikara vaovao», hoy izy. Mba ho firenena ma­tanjaka sy mandroso ka tsy ho raraka an-tany ny tolona ho an’ny fahafahana, nataon’ireo razantsika, araka ny fanambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo.

Synèse R.

Partager sur: