Hentitra ny depiote Milavonjy Philobert. Mitaky ny hamelana ny rehetra handray anjara amin’ny fifidianana sy tsy isian’ny fanilikilihana izy. Nanteriny koa fa tsy tokony hanizingizina amin’ny tsy fisian’ny gadra politika ny Praiminisitra. «Takinay koa ny tetiandro mazava amin’ny fifidianana sy ny fotoana hitantanana ny Fanavaozana», hoy izy.
Nohitrikitrihin’ny depiote Randrianasolo Nicolas fa tsy manana dosie maloto ny tenany ary tsy matahotra fanenjehana. «Manao ny asako aho ary mitondra ny tenin’ny vahaoka no hataoko amin’izany», hoy izy. Nambarany koa fa tsy tokony hidiran’ny SADC ny fitakiana famoahana gadra politika.
Nolanian’ny Antenimierampirenena ny hametrahana ny filankevitra ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina (CESC). Nohazavaina teny Tsimbazaza, tamin’ity herinandro ity, fa anjara asan’io rafitra io ny mitondra ny feon’ny vahoaka sy ny fiarahamonina hatrany amin’ny fanjakana foibe. Tsy amin’ny fotoan’ny krizy ihany fa amin’ny fotoana maharitra.
Voatendry ho solontenan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ho mpikambana eo anivon’ny Ceni, i Anne Raymonde. Nivoaka omaly ny didim-panjakana mamaritra izany fanendrena mpikambana vaovao ho ao amin’ny Birao maharitra eny Alarobia izany. Hanampy ireo efa am-perinasa izany i Anne Raymonde.




