Raha tsy teo ireo mpamorona… : Mahantra ny zavakanto malagasy

Fiverenana any amin’ny fototra… Mety ho azo hialokalofana ihany. Matoa hanovozana, tsara sy fakan-tahaka. Na eo aza ireo rehetra ireo, manomboka hita taratra ihany koa ny fihenan’ny sanganasa vaovao.

Miha mahantra andro aman’alina ny zavakanto malagasy. Raha tsy teo ireo mpamorona efa nodimandry, tsy ho hita taratra fa velona sy manana aina ny kanto malagasy. Ny fiverenana any amin’ny fototra, tsy azo adika fotsiny amin’ny hoe mamelona ny kalon’ny fahiny. Na tsy ho Ntaolo na oviana na oviana aza ny taranaka ankehitriny, tokony ho afa-mamorona bagasy. Fa maninona no tsy maintsy ny sanganasan-dry Naka Rabemanantsoa, Justin Rajoro, Wast Ravelo­moria, sns, hatrany no kaloina eny an-tsehatra? Ilaina ny mitazona sy ny mahatazona ny endriky ny sary sokitra fanao any atsimon’ny Nosy. Tsy midika akory izany fa tsy azo atao ny mamorona endrika sary hafa ankoatra ireo navelan’ny teo aloha.
Latsaka an’elanelany ny za­­vakanto malagasy. Ilay endrika maneho fa mandroso, toa mitsipaka ilay fanahy malagasy ao anatiny. Misonga­dina be io tranga io eo amin’ny tontolon’ny hira. Miroborobo fatratra ny fitsanganan’ny tarika mpihira. Saingy ny hira mi­voaka, tsy misy fotony. Faha­roa, mamikitra mafy amin’ny famerenana ny sanganasan’ireo teo aloha, satria, tsy ma­morona. Tsy vitsy ireo mialokaloka amin’ny: « fiverenana any amin’ny fototra ».
Tsy manana mpamorona intsony ve ny tontolon’ny za­vakanto malagasy? Fa nahoana ireo sanganasa tany ambadiky ny 50 taona mahery no mbola « hirahiraina » (fomba fiteny malagasy ilazana zavatra averimberina)? Ao anatin’izao vanim-potoana fiverenana any amin’ny fototra izao. Ilaina ny mamoha indray ny asa famoronana ka hampifanindran-dalana izany amin’ny fitazonana ny fototra (fanahy, fanehoana ivelany, sns, manaja ny soatoavina).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: