Hotanterahina ny 2 novambra ho avy izao, any Frantsa, ny « Journée Pays ». Hetsika hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite malagasy sy frantsay izy io. Oniversitem-panjakana valo ka hatramin’ny 10 no handray anjara ary hisy ny fihaonana matihanina 15 hatramin’ny 20 isan’andro. Hisy sehatra fisoratana anarana hapetraky ny masoivoho frantsay ho an’ireo mpandray anjara.
Nanamafy ny fiaraha-miasany ny Foibe famantarana ny toetr’andro sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) tamin’ny fanaovan-tsonia ny drafitrasa 2026–2027. Dingana vaovao izy io amin’ny fanamafisana sy fampandrosoana ny fahaiza-manaon’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny famantarana ny toetr’andro. Mitodika amin’ny vahaolana maoderina ny fiaraha-miasa. Sambany no hampidirana ny faharanitan-tsaina artifisialy hanamafisana ny rafitra fanairana mialoha sy hanatsarana ny kalitaon’ny vinavinan’ny toetr’andro. I Madagasikara no firenena voalohany eto Afrika nandray tanteraka ny fitantanana sy ny fampiasana ny Maptool ka lasa tomponandraikitra feno amin’ity fitaovana fanaraha-maso ny haintany ity.




