Tsy fandriampahalemana : 90 ireo zaza very tanatin’ny enim-bolana

Mahatratra 90 ny filazana zaza very voarain’ny polisy tao anatin’ny enim-bolana. Tafaverina tamin’ny ray aman-dreniny ny 43. Fitsoahana ny toeram-ponenany ny ankamaroany.

Mandositra ny trano fonenana ny ankamaroan’ireo zaza naharasain’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny PMPM fampahafantarana na dia misy ihany aza tranga hafa, hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny polisim-pirenena, omaly. Miisa 90 ireo fitarainana voaray momba ny zaza very. Nahazoan’izy ireo tatitra avokoa ny momba ireo 43 tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny ankohonany. « Misy amin’ireo ray aman-dreny menatra ka tsy mampilaza intsony rehefa hita ny zanany izay nandositra vokatry ny ditra tao an-trano», hoy ny loharanom-baovao mari-pototra avy amin’ny polisy. Etsy ankilany, misy ihany tranga fahaverezan-jaza hafa saingy efa vatana mangatsiaka hany sisa tafaverina eny anivon’ny fianakaviany. «Ataon’ireo fa­havalom-pirenena fitaovana hanakorontanana ny tranga fahaverezan-jaza, fakana an-keriny zaza varira sy ny fanafihan-jiolahy tato ho ato», araka ny fanamafisan’ny minisitry Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police, Erick Michel, tetsy Anosy, omaly. Misy tamin’ireo tompon’antoka efa niatrika fampanoavana ka naiditra am-ponja. Nampitomboina noho izany ny isan’ireo mpitandro filaminana eny an-kianja ary hamafisin’izy ireo ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Hala-jaza

Olona roa voasambotry ny fokonolona tamin’ny toerana roa samy hafa teto Antana­narivo Renivohitra, ny sabotsy 4 jolay teo. Nikasa hitondra zaza mirahavavy handositra ny vehivavy iray tao Ilanivato. Tra-tehaky ny fianakavian’ny zaza izy ka nosamborina. Nentina natao famotorana ity farany. Ankoatra io, novaki­an’olon-tsy fantatra ny tokantrano iray tao Ampefiloha Ambodirano ka saika nentiny nandositra ny zazavavy narary. Saron’ny fokonolona koa ilay olon-dratsy ka niharan’ny daroka sy vono. Notazomin’ny mpitandro filaminana atao fa­nadihadiana izy. «Ilaina fanarahi-maso avy amin’ny ray aman-dreny ny zaza», hoy ny minisitry ny Mponina, tetsy Anosy, omaly.

Tsiferana R.

Partager sur: