Adihevitra literera: Hotarihin’i Sy sy i Liantsoa

“Soratra velo-maharitra sa soratra velona mandrakizay?”. Io ny lohahevitra iompanan’ny adihevitra literera, hotontosaina anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, Efitrano Dox. Ny Faribolan’ny poeta sy mpanoratra Sandratra no mikarakara ny fotoana. Hitarika ny adihevitra kosa i Sy sy i Liantsoa. Ny voalohany, mpanao gazety, mpanoratra ary mpanabe an-tserasera; anisan’ireo tsy misorona miteny sy manitsy ireo mandiso tsipelina na fitsipika amin’ny fanoratana ny teny malagasy anaty tambajotran-tserasera i Sy. Mpanentana fandaharana mampianatra sy manoro ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny teny malagasy ihany koa izy. Poeta, mpanoratra ary iray amin’ireo mpikambana mavitrika ao amin’ny Faribolana Sandratra kosa i Liantsoa. Samy milomano anatin’ny fikirakirana ny teny malagasy, araka izany, ny mpitarika. Ny hevitra kosa, tera-bary, ka halalaka ny fandraisam-pitenenana mandritra izany. Raha misy ny tsy fitoviam-pijery, harena ihany koa izany. Vao mainka aza manaporofo ny maha teny miaina ny teny malagasy. Manampy ireo hetsika marobe ho fanandratra ny teny ma­lagasy ity adihevitra ity, mba tsy hifarana niaraka tamin’ny iray volana fankalazana isan-taona izany.

Zo ny Aina

Partager sur: