Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, 100 taona. Hisy ny lahadinika sy fampirantiana momba ity mpanoratra manana ny mampiavaka azy ity, ny 15 jolay manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. «Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana sy ny anjara birikiny teo anivon’ny Akademia malagasy» ny lohahevitra amin’izany.
Sehatra bagasy volana jolay. Mitohy ny «Zarasehatra bagasy horonam-peo». Fantatra, omaly, fa ny sabotsy 11 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, ny fotoana hamaranana ny famerenana ireo hira efatra horaisim-peo. Fotoana hijerena ihany koa ireo hiran’ny 100 taona lasa. Misy hatrany ny sehatra malalaka ho an’ny rehetra.
Manam-pahalalana sy fahaizana fa tsy mahay mampita. Fotoam-pialantsasatra lehibe, manomboka misokatra ny fianarana zavakanto sy kolontsaina. Tranga mametraka fa maro ireo mpampianatra zavakanto sy kolontsaina, indrindra eny amin’ny tanàn-dehibe. Mahavariana, anefa, fa toa tsy misy fiantraikany eny anivon’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ny fananana zaza na ankizy na tanora nianatra kolontsaina sy zavakanto. Ny olona nobeazina amin’ireo, anefa, tokony hanana ny mampiavaka azy amin’ny hafa. Tokony hanana fahendrena.




