Sabotsy fahatelon’ny volana, fanaovana ny “Tagnamaro” manerana ny Nosy. Nisafidy ny Rovan’Ilafy ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera foibe, nanatontosana izany ny asabotsy teo. Fanadiovana ny tokontany malalaka, fanamboarana ny zaridaina ary fanalana ireo kirihitra manodidina no marimarina kokoa nitondrana “Tagnamaro” teny amin’ity vakoka manan-tantara ity. Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny vakoka ny asa fanadiovana natao rehetra ivelan’ny Rova. Fiaraha-mientana izay nanome endrika vaovao ity harem-bakoka mitahiry tantara ity izany.
Tsiahivina fa etsy amin’ny 10 kilaometatra monja miala an”Antananarivo no misy ny Rovan’Ilafy, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Lapa nataon’ny Mpanjaka Radama II ho fialan-tsasatra sy toeram-ponenany faharoa izy ity. Efa voasokajy ho vako-pirenena, ary azo tsidihin’ny besinimaro ny Rovan’Ilafy. Ankoatry ny tantarany, misy karazam-pitaovana maro haranty amin’ny maha vakoka azy ihany koa ao.
Zo ny Aina