IFM Analakely : voasariky ny fampirantina ny mpanao hosodoko

Miditra amin’ny herinandro farany anaovana ny varotra fampirantina ny eny amin’ny Institut Française de Ma­dagascar na IFM Analakely. Varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel, mpanao ho­sodoko matihanina. “Ny vahiny sy ny malagasy ao anatin’ny tontolon’ny hosodoko iha­ny no tena lina amin’ny hetsika. Tanjona anefa ny hampiseho bebekokoa ny hosodoka amin’ny Malagasy”, hoy ny tompon’andraikitra mpikarakara ity hetsika ity. Ny tontolon’ny zava-masina ankehitriny no lohahevitry ny fampirantina.
Somary tsy mahaliana ny Malagasy ity varotra fampirantina ataon’i Guy Pradel ity. Ireo malagasy sy vahiny misehatra eo amin’ny tontolon’ny hosodoko ihany no tonga manjifa sy mifanakalo traikefa amin’ity Frantsay, matihanina eo amin’ny hosodoko, ity. Tanjon’ny mpikarakara anefa ny hisintonana olona ivelan’ny tontolon’ny hosodoko amin’ny alalan’ny hosodoko vokarina olona matihanina sahala amin’izao. Ho an’ny mpankafy hosodoko tonga kosa, tombony lehibe ho azy ireo ny fi­fampizarana sy fahitana mi­vantana ny hosodoko nataon’ny mpahay kanto sahala amin’i Guy Pradel.
Ankoatra ny varotra fampirantina, hisy ny atrik’asa, mitondra ny lohahevitra hoe “Art et Sacralité” atao ny alarobia 22 febroary 2023, ao amin’ny IFM Analakely.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: