Hatramin’izao, mbola ity boky tokana ity ihany no mirakitra zava-droa loha mifameno. Fampianarana valiha sy fampianarana teny malagasy. Fantatra, omaly, fa nohatevenina ny voarakitra ao anatin’ny laharana faharoa izay hivoaka tsy ho ela. Tany am-piandohana, ireo Malagasy monina any ivelany no nokendrena. Maro amin’izy ireny mantsy no mitaky ny hahay hifehy ny zavakanto navelan’ny razana (valiha) sy ny teny malagasy, satria, efa ela loatra ny nandaozana an’i Madagasikara. Tsy vitsy rahateo ireo efa manan-taranaka izay maniry ny hitaiza sy hanabe ny zanany amin’ny zavakanto sy ny teny malagasy.
Anisan’ireo nanatevenana ity boky ity ny fifandraisan’ny valiha sy ny zava-panaon’ny Malagasy eo amin’ny fiainana an-davanandro. Fampilalaovana ny ankizy, fanabeazana amin’ny alalan’ny maso mahita sy ny sofina mandre, sns. Ao ihany koa ny fitsipiky ny teny malagasy ary ny fomba hahaizana izany ao anatin’ny fotoana tsy ela.
Nanapa-kevitra ihany koa ny foibe fiofanana sy fampianarana momba ny mozika « Valiha Académie » fa havoaka eto an-toerana amin’izay ity fanontana faharoa ity, satria, maro ireo mangetaheta ny handalina miaraka ireo taranja roa ireo (teny malagasy sy fianarana valiha).
HaRy Razafindrakoto




