Ho tafaraka indray ny tarika Feo Gasy. Nanambara i Eric Manana, omaly, fa hisy ny seho hataon’ny tarika Feo Gasy any France. Hanomboka ny 4 septambra ao Montpellier izany, avy eo handalo tanàn-dehibe maro. Hiainga avy aty Madagasikara ry Benny sy Nini, hamonjy an’i Erick Manana sy i Pasy. Hiara-dalana amin’izay ireo amin’ity koa i Dadou, zanak’i Fafah izay hanolo ny feony ao amin’ny tarika.
Hampiara-peo i Poopy sy ny tarika Johary. Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy izany. Seho goavana hatao ny 26 aogositra izao izy ity, eny amin’ny CCI Ivato. Mbola tsy namoaka ny andinindininy afa-tsy ny daty ny Live Prod, izay handray an-tanàna ny fikarakarana. Ny azo antoka kosa dia ho maromaro ny fampiaraham-peo, ary efa eo am-panomanana ireo mpanakanto.
Hisedra ny Coliseum i Njakatiana ! Vaovao lehibe iray nanaitra ny mpankafy fampisehoana, indrindra ireo mpankafy azy ity. Amin’ny volana oktobra izao ny fotoan-dehibe, satria tsy mbola nisy nandritra izay taona marobe niakaran’i Njakatiana an-tsehatra izay. Mbola tsy nolazainy koa ny mety ho endriky ny fampisehoana.




