Tsy voatery hiteny foana

Iaraha-miaina fa mandalo krizy vaovao indray i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy handany lera amin’ny resaka politika fa handeha ny vahaolana mahakasika ny sedram-piarahamonina misy no hanontonana ny angovo. Aleo ahompana amin’ny resaka serasera sy ny fitantanana ny famahana ny raharaha maloto no resaka. Iaraha-mahita fa zary lalaovina sy hampifendrofendroana ny paikadin-tserasera misy.
Tsy tokony ho hadino fa anisan’ny fahadisoana goavana ataon’ny tomponandraikitry ny serasera amin’izany ny fieritreretana fa zava-dehibe ilay « tsy maintsy miteny ». Mba efa nisy nanontany tena ve izao hoe : mahavaly ny fanontaniana apetraky ny vahoaka ilay hafatra ampitaintsika ? Marina fa miovaova ny laharam-pahamehana amin’ny vanim-potoana manahirana toy izao, saingy aza adino ny vahoaka miandry antsika manam-pahaizana.
Tsy adala ny mpiray tanindrazana ka handany andro hisaina izay isan’ny fanambarana mifono teny mamy mandangolango mivoaka. Zava-dehibe aminy, manoloana ny zava-misy, dia ny hafatra manome toky fa afaka mody amim-pilaminana izy raha mivoaka ny trano. Afaka mandry ivohon’ny vato izy raha milalao eo an-tokotany ny zanany. Eny afaka milokaloka ny fitondram-panjakana fa afaka manampy azy.
Tsy maridrefy ahafahana milaza fa mahomby ny paikadin-tserasera noraisina raha mandrakotra ny tambajotra sosialy sy ny haino vaky jery ny fitondram-panjakana, tahaka ny misy ankehitriny. Ny tena andrasana izao dia ny mangarahara sy ny porofo nahafahan’ny manampahefana niampanga olona na vondrona iray. Miandrandra fizaram-baovao, mitondra toky hoenti-miaina ilay Malagasy.
Hamehezana azy, tsy ny isan’ny ranty na ny soratra mivoaka no ilain’ny sarambabem-bahoaka. Miandry serasera matihanina, afaka miantoka ny filaminana sy ny fandriampahalemana hoentiny mamakivaky ny tontolo androny !

r.r

Partager sur: