Ho fantatra tsy ho ela izay hitondra sy hitantana ny birao foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima). Mandritra ny Zaikabe andiany fahenina, hotanterahina any Mahajanga, ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra izao, no hanatontosana ny fifidianana isan’ambaratonga eo anivon’ity fikambanana ity. Na izany aza, tsy mbola nisy ny nanambara ny filatsahany hofidina. Ny alakamisy 30 jolay ny fifidianana, ny zoma 31 jolay kosa ny lanonam-pianianana. Hitondra ao anatin’ny 4 taona izay ho voafidy amin’izany.
Zavakanto, sarotra faritana ny atao hoe « mahay »? Taty ambadiky ny taona 1975 vao nahitana io tranga io. Talohan’izay, mbola afaka nametraka sivana tsara ny Malagasy. Fantany fa sahaza azy sy ny momba azy manontolo (fomba amam-panao, soatoavina, …) ny kolontsainy, hany ka saika tsara avokoa ny mandalo ny masony sy ren’ny sofiny… Nihena miandalana izay fahaiza-mandinika sy mamakafaka izay ka nanjary nihinana amam-bolony ny Malagasy. Na efa hira tsy misy fotony izao aza, mbola tsara ihany, mbola mahay ihany ny namorona sy ny mihira azy.
Tsy hoe tsy ampy fa tsy mahay milalao ny ankizy ankehitriny. Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra lehibe ny mpianatra, ny ankamaroany, tsy mivoaka ny trano. Tsy tazana eny an-tokotany akory aza, satria, tsy mahita hatao, hono. Ao an-trano rahateo no ahitana finday sy ordinatera ilalaovana «jeux», hijerena na hanokafana ireo karazana tambajotran-tserasera. Tsy nahavita ny adidiny ny ray aman-dreny, satria, tsy nahatafita akory ny ataon’ny Malagasy hoe «kilalao». Misy fiantraikany goavana amin’ny fivelarana maha olona io adidy tsy vita io. Fahiny, «ny firaisankina no hery”. Ankehitriny, tia miolonolona ny taranaka Malagasy.




