Fahamailoana amin’ny hala-jaza : Arahi-maso akaiky ny vahiny mivezivezy isam-pokontany

Nanatanteraka fivoriana maika ny OMC ao Ambohidratrimo. Manoloana ny hala-jaza, tapaka fa ho hentitra ny fanaraha-maso ny vahiny mivezivezy eny amin’ny fokontany. Samy hojerena akaiky na ny teratany na ny avy any ampitan-dranomasina.

Napetraka ny fiaraha-miasan’ny eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany ary ny mpitandro filaminana rehetra eo anivon’ny distrikan’Ambohidratrimo. Voalaza tamin’izany fa tsy maintsy mampivory ny sefo fokontany, ny zandarimariam-pirenena, ny polisy kaominaly ary ny kartier mobile ny ben’ny Tanàna sy ny lehiben’ny boriborintany rehetra anatin’ny kaominina 24, mandrafitra ny distrikan’Ambohidratrimo.
Entanina hanara-maso ny mponina misy ao aminy ary tokony hahafantatra tsara ny mponina ao aminy ny sefo fokontany na ny mitoetra izany na ny misora-bahiny. Raha misy olona tsy fantatra ao an-tanàna dia atonina hanaovana fanadihadiana, na teratany malagasy izany na teratany vahiny.
Tanjona ny hanamafisana ny fahamailoana sy manamora ny fanaraha-maso raha sanatria misy tranga mampiahiahy.
Tsy maintsy manana fitanana an-tsoratra momba ireo teratany vahiny ny fokontany ary tsy misalasala ny manadihady sy mahafantatra tsara ny momba azy ireo. Mila manana ny isan’ny teratany vahiny ary aterina eny amin’ny distrika izany. Tsy maintsy hanao fitsidihana azy ireny ny distrika avy eo.
Raha misy tranga fahaverezan-jaza na olon-dehibe dia mila hamarinina hoe mponina ao anatin’ny distrika tokoa ve ilay olona very. Anaovana petadrindrina izany rehefa voporofo. Mila vaovao marim-pototra isorohana ny fitsaram-bahoaka, mety ho tondro molotra no ahitana loza.
Mametraka olona manara-maso sy miserasera eny anivon’ny fokontany ary mampilaza ny mpitandro ny filaminana raha misy mampiahiahy mba hialana amin’ny fitsaram-bahoaka. Asina affichage manerana ny fokontany misy ny laharana ahafahana miantso ho vonjy taitra ary hamafisina ny andrimasom-pokonolona. Mila akaikezina ny vahoaka.

Tatiana A

Partager sur: