Nanao fanambarana ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) Sampana Antananarivo. Amin’ny maha raiamandreny azy ireo, eo anatrehan’ireo fahaverezan’olona misesisesy tato ho ato, mahakasika ny ankizy sy olon-dehibe saika manerana ny Nosy. Araka ny hita sy iainana ankehitriny, very fanahy mbola velona ny ambanilanitra, ampijalian’ny tebiteby eo am-pikarohana ny menaky ny ainy sy ny fianakaviany ka miantso ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga tsy hionona fotsiny amin’ny filazana ny heverina fa tanjon’izay vondron’olona mety manatanteraka ireo tranga ireo sy hifanilika andraikitra.
Tsy misy fampijaliana vahoaka faran’izay mahonena sy mamohehatra mihoatra ny fangalarana olona, ny fakana taova miafara amin’ny fandatsahana ny ain’ireo menaky ny aina, hoy ny fanambarana. Manoatra noho ny tany miady i Madagasikara.
Ny famongorana amin’ny fotony ireo tranga ireo no andrasan’ny vahoaka malagasy amin’ny fitondrana mahefa sady fitondra-miaramila, fa tsy hionona amin’ny fisamborana ireo trondro madinika fotsiny ihany.
Manainga ny vahoaka malagasy ho malina tanteraka sy ho tony hatrany tsy ho zary fitaovam-piakaran’ireo tsy mataho-tody, mpilalao saina amam-panahy ny tebitebin-tsaina sy ny alahelo.
Vonjy




