Fiatrehana tondradrano : Nanamafy ny fahaiza-manao ny tomponandraikitra

Anisan’ny faritra mitondra takaitra vokatry ny rivodoza sy ny tondradrano i Taolagnaro. Nahatsiaro ho manana andraikitra manoloana izany ny orinasa QMM, mpiara-miombon’antoka amin’ny BNGRC, ka nanamafy ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny fiatrehana izany. miainga eny anivon’ny fokontany ny fiofanana ka mipaka any amin’ny Faritra.
Miisa 50 ireo mpiantsehatra ifotony nisitraka ity fanamafisana ny fahaiza-manao ity. 45 ireo komity kaominaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. 50 kosa ireo komity prefektoraly.
Hitohy amin’ny fanazaran-tena na «exercice de simulation» ny hetsika ary hifantoka betsaka amin’ny fanomanana izany ny atrikasa izay notarihin’ny BNGRC. Natrehin’ny lehiben’ny Faritra Anôsy, ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel, ny Prefet-n’i Taolagnaro ny atrikasa. Teo koa ny solontenan’ny ben’ny Tanànan’i Taola­gnaro, ny filoha tale jeneralin’ny Rio Tinto-QMM ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny misahana ny maha olona.
Anio no hanatanterahana ny fanazaran-tena mahakasika ny fiatrehana rivodoza sy tondradrano ao Taolagnaro, ho fiomanana sahady amin’ny fotoam-pahavaratra ho avy.

Vonjy

Partager sur: