Notanterahina tao amin’ny UCR Toamasina ny jeritodika sy fanolorana tatitra momba ireo asa vita sy ireo fanamby tokony hotanterahina taorian’ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani. Laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fanamafisana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ireo asa fanarenana, mba hahazoana antoka fa mipaka amin’ny vahoaka tokoa ny ezaka rehetra ataon’ny Fitondram-panjakana.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny lakandrano, anatin’ny tetikasa PIAA2, ampahafantarina ny mpampiasa lalana fa ho tapaka ny arabe Rainibetsimisaraka, manoloana ny Hotel tana Plaza mihazo ny Petite vitesse. Hisy ny lalana hafa hahafahan’ny fiara mizotra tsara.
Araka ny voarakitry ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana dia voarara ny fanaovana varotra ivelan’ny toerana natokana ho amin’izany. Voarara ny fivarotana entana ivelan’ny toerana voatokana na nahazoana alalana avy amin’ny manampahefana mahefa aza, indrindra amin’ny sisin-dalana…




