Ampefy-Itasy : Nohatsaraina ny fitantanana ny « geysers » sy ny riandranon’i Lily

Toerana roa tsy azo hihodivirana ho an’ireo mitsidika an’Ampefy. Samy harembako-pirenena izay nasiam-panavaozana mba hahasarika mpizahatany bebe kokoa.

Toeram-pizahantany akaiky indrindra an’Anta­nanarivo i Ampefy, any Itasy. Mahasarika na mpizahatany vahiny, na ireo mponina avy amin’ny faritra hafa, indrindra ny eto an-drehivohitra izy. Tsy maintsy tafiditra anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo mpiala sasatra ny fitsidihana ireo toerana malaza, toa ny riandranon’i Lily sy ny « geysers ». Amin’ny maha harembako-pirenena azy ireo, ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera no mpiahy izany, amin’ny alalan’ny Tahiry loharano otrika vola ho an’ny kolontsaina na ny lovako.
Nirosoana ny fanatsarana ny fitantanana ny toerana, ka nidina tany an-toerana ny minisitra Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa sy ireo mpiara-miasa aminy. Nifanojo tamin’ny famaranana ny fampiofanana nomena ireo mpitaridia, mpanotra sy ireo rehetra mivelona amin’ny fandraisana ireo mpizahatany tany an-toerana izany. Niisa zato izy ireo no nomen’ny minisitera fiofanana mba hanatsarana ny asany, ka nomena mari-pankasitrahana taorian’izany.
« Tanjona ny hanatsarana ny fomba fitantanana ny harembako-pirenena toy ireto eto amin’ny Faritra Itasy ireto mba hampiroboroboana ny tahiry ara-kolontsaina malagasy », hoy ny minisitra. Heta­heta niainga tamin’ireo mpisehatra no namolavolan’ny minisitera ity tetikasa fampiroboroboana ny harembako-pirenena ity, izay mikendry ny hisarihana ny Malagasy hitsidika ny harena voajanahary ao amin’ny taniny. Naharitra roa andro ny fiofanana, izay niandraiketan’ny Tahiry Lovako, tarihin’ny tale Narijaona Elda, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto, Dah Mama.

Zo ny Aina

Partager sur: