Anisan’ny asa sahanin’ny tetikasa “Fanatsarana ny fahazoana rano madio”, (Paaep), ho an’ny olona 1 tapitrisa eto Antananarivo sy ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara, ny hisitrahany maharitra ny rano. Fomba iray hahatongavana amin’ny tanjona ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy fanoloana ireo fitaovana efa antitra. Eto Antananarivo, mahatratra 110 000 ny kaonteran-drano miasa ka efa antitra avokoa ny 66% amin’ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Paaep ny hanolo kaontera 30 000. Nomanina nanomboka ny volana janoary lasa teo ny asa fanoloana. Nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny volana avrily lasa teo ka notombanana haharitra valo volana ary hitohy hatramin’ny taona 2027. Tsy misy fandraisana anjara takina amin’ny mpanjifa ny fanoloana ny fitaovana antitra any an-tokantrano.
“Nanomboka ny volana septambra 2025 no ho mankaty, mahatratra 10 268 ny kaonteran-drano voasolo ary 19 732 no hovitaina hatramin’ny faran’ity taona ity”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Voakasiky ny fanoloana ny eto Antananarivo Renivohotra, Avaradrano sy Atsimondrano ary Ambohidratrimo.
Ankoatra ny fanoloana ny kaontera antitra, asa faharoa ao anatin’ny tetikasa, ny fikarakarana ireo fangatahana vaovao fampidiran-drano tsy mbola voavalin’ny Jirama. Natokana ho an’ireo mpanjifa efa nahavita ny antontan-taratasy rehetra sy nahaloa ny vola mifandraika amin’ny fampidirana ny fikarakarana. Efa manana ireo fitaovana ny Jirama ka hiroso miandalana amin’ny famaliana ny fangatahana. Orinasa roa no misahana ny asa ka fampidiran-drano 4 293 no efa tanteraka ary 3 395 no eo andalam-panaovana azy.
Vonjy




