Ho an’ireo olona tafavoaka tamin’ny aretina homamiadana dia tena ilaina ny fanohanana ara-tsaina, raha ny hevitry ny dokotera. Tokony hahay mankafy ny fahasalamana sy ny fiainana amin’izay ary manana fomba fijery miabo na dia nolazoin’ny aretina aza. Hajaina ny fanafody ohanina sy ny fanaraha-maso ara-potoana takin’ny dokotera.
Notolorana fitaovana informatika ireo mpiasan’ny fahasalamana misahana ny SR/PF ao amin’ny faritra Menabe sy ny distrikan’i Mahabo. Ireo fitaovana ireo izay natao hanatsarana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny asa ary koa hanamafisana ny kalitaon’ny tolotra omena eny ifotony.
Ao anatin’ny fialantsasatra tanteraka ny ankizy. Ho an’ireo zatra mikarenjy, mila mailo amin’ny hala-jaza etsy sy eroa. Tokony ho ao an-tokotany mifefy ihany ny ankizy no milalao isorohana ny fahaverezana. Misy olon-dehibe hatrany miara-mivoaka ny trano. Tsy irahina irery intsony ny ankizy.




