Any anaty tsena : Tsara ofana ireo hampihatra ny CMH

Niofana momba ny fahadiovana eny amin’ny tsena ireo mpiasan’ny CUA, tompon’andraikitra misahana ny fanaraha-maso ny CMH (Code Municipal d’Hygiène). Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa miisa 80 mpiantsehatra eny ifotony. Hanentana sy hampahatsiahy ny mponina sy ireo mpivarotra eny anivon’ny tsena momba ny “CMH” na ny fitsipika mifehy ny fikoloana ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana izy ireo.
Voakasik’ity fanofanana ity ireo lehibe’ny tsena sy ny mpanampy azy, ireo mpanentana eo anivon’ny fitaleavana momba ny sosialy sy ny fiarahamonina, ny avy eo anivon’ny polisy monisipaly (DACPC, DAU, Agents de police municipale).
Lohahevitra telo no nampitaina, dia ny fampahatsiahivana ny maha lalàna velona ny CMH sy ireo hafatra fototra mahakasika ny fako, toeram-pivoahana ara-pahasalamana, fahadiovan’ny tsena, filaminan’ny lalam-bahoaka. Nentin’ny ekipan’ny fitaleavana momba ny rano sy fahadiovana eo anivon’ny kaominina (DEA) izany.
Teo koa ny fiatrehana eny an-kianja mba hahomby ny fampiharana ny “CMH” ary ireo paikady fanaovana serasera misy vokatra sy fiovam-pihetsika.
Hirotsaka an-tsehatra avy hatrany eny an-kianja ireo mpanentana, araka ny drafitrasa efa napetraka.

Tatiana A

Partager sur: