Fahasambarana Mandrakizay: Olona 25 000 mahery no tonga tetsy Antsonjombe

“Fahasambarana Mandra­kizay”. Io no lohahevitra nentin’ny fiangonana Vavolombe­lon’i Jehovah nifampizarana tetsy amin’ny Coliseum, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 25 000 ireo olona tonga nanatrika ny hesika. Fiangonana 101 avy eto an-dRenivohitra no nanatrika izany, amin’ireo fiangonana Vavolombelon’i Jehovah miisa 875 manerana ny Nosy. “Iza ny olona tsy maniry ny ho sambatra?”, hoy Rasoloa­rison Andry, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Antananarivo.
Nodinihina nandritra izany ny fomba ahitana fahasambarana maharitra amin’ny alalan’ny foto-kevitra ara-Baiboly azo hampiharina amin’ny fiainana andavanandro, na inona na inona olana atrehina.
Fivoriambe 104 mitovy amin’ity no karakaraina manerana ny Nosy, hatramin’ny vo­lana aogositra. Aseho amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena miisa 19 ity fandaharana ity, mandritra ny taona.
Navoaka isan’andro nandritra ny fivoriambe ihany koa ireo fizarana faha-4, faha-5 ary faha-6 amin’ilay horonantsary “Ny Tantaran’ny fanompoan’i Jesosy”. Mizara 18 izany ary miorina tanteraka amin’ny fitantaran’ny filazantsara ka manampy hahatakatra ny fomba fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany tety an-tany.
Maherin’ny 6 000 ireo fivoriambe, amin’ny fiteny mahatratra 500, nokarakarain’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taon-dasa.

Tatiana A

Partager sur: