Hira evanjelika : Nahatafita hafatra ny « Miara-midera »

Notanterahina omaly, tao Antsahamanitra ilay fampisehoana rindran-kira evanjelika lehibe nampitondraina ny lohateny: « Miara-midera ». Tamin’ny ankapobeny, hafatra roa lehibe no nampitaina. Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-36 taona niasan’ i Lalao Andriamahandrisoa ka nisahanany ny andraikitra maha ” chef de choeur ” azy sy hanohizany ny 36 taona manaraka indray. Teo ihany koa ny fampitana sy fiderana ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra.
Nahatafita hafatra ny antoko mpihira Kerobima Ankatso, Ny Koraita (Manarintsoa Finoana), Hosana Ambohijatovo Fitiavana, KT Ambatovinaky ary ny Ampifitia sy ireo vahiny nasaina manokana, toa an’i Mamy Robinson sy Nanie. Niombom-po tamin’ireto antoko mpihira ireto ny teny an-toerana. Niara-nihira, nidola, sns.
Nandritra ity seho ity no nahatsapana fa mitondra anjara lehibe eo amin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny hira evanjelika sy ireo antoko mpihira na mpanakanto manao izany. Tsy vitsy ireo endrika mifantoka fatratra amin’ireo hira na fanentanana avy eny an-tsehatra. Tsy tao anatin’ny fotoana fohy fa hatrany amin’ny faran’ny fampisehoana, nahitana izany hatrany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: