Fanahy miara-droa « Diamondra & Piano ». Fampisehoana hotanterahina ny zoma 24 jolay izao, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hitendry ireo zavamaneno ireo i Nico Randrianarijaona sy Clarck Rajaona. Hira FFPM ranoiray hoenti-misaotra noho ny fahavitan’ny fanadinana bakalorea. Hanehoana ny harem-panahy hoentin’ny hira FFPM. Hanolokoloina sy hitaizana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy.
Sarotra hampihomehezina ny Malagasy? Io no ambaran’ny ankamaroan’ny mpanao hatsikana. Ny mivantana, ankafiziny ihany, saingy, tsy maintsy arahina fepetra lehibe. Ny ankolaka, tiany fa indraindray miteraka henatra ho azy. Tranga izay iainan’ireo mpampihomehy eny an-tsehatra ka mahatonga azy ireo mitana fotoana ela sy mamadibadika fatratra ny tokony haseho sy ambara eny an-tsehatra. Mety hitarika any amin’ny tsy fisian’ny fampisehoana hatsikana matetika loatra ireo tranga ireo?
Niova be ny fiarahamonina malagasy. Ny tranga iainana ankehitriny no miteraka fiahiahiana, tsy fifampitokisana, sns. Ny zanaka no anisan’ireo maharary ny Malagasy. Mahavariana, fa any amin-dry zareo no iantefan’ireo fikitra. Fahiny, niarahana nanabe sy nitaiza ny zanaka. Ankehitriny, aleo tsy avoaka ny trano izy ireny, sao misy maka na mangalatra. Miteraka tsy firindrana izany.




