Tsy hita intsony ny ilazana ilay toe-javamisy eto amin’ny tanàna. Toa miverina ny fanjakan’i Baroa. Tsy arakaraka ny maha miaramila dimy lahy be no mitondra. Maika mahazo vahana ny tsy filaminana sy ny tsy fanarahan-dalàna. Mahavarina fa ny vahoaka indray no mametraka ny tiany hitondrana ny fiarahamonina. Fanavaozana amin’ny tsara anefa no nitolomana fa tsy fahalalahana mandeha hoazy tahaka izany.
Sanatrian’ny vava mitsikera na manome tsiny fa mba vaka ny saina mandinika ity vahoaka mahasahy miandry biraon’ny polisy na zandary ity. Tsy miandry fampiharana ny lalàna fa tsy maintsy tanterahina ny sitrapony. Mifampiana-dratsy ny mpiray tanàna. Ny vahoaka rahateo mora roritina amin-draha hafahafa amin’izao fotoana izao. Hivadika ho fitaovana hoentin’ny olon-dratsy hanafenana ny ataony indray no hiafarany.
Tsy afaka avelavela fotsiny amin’izao ny filazana fa ny vahoaka no « patron ». Lasa very hasina ny lalàna sy ny mpampihatra izany. Marina tsy izy ireo indray avy eo no ifotoran’ny lalàna. Firifiry tokoa ny ben’ny Tanàna na lehiben’ny mpitandro filaminana migadra sy misazy arakasa. Mifototra aminy ny fianakavian’ny olona niharan’ny fitsaram-bahoaka. Lazaina fa mpiray tsikombakomba na tsy mandray andraikitra. Atao ahoana anefa ny hiady amin’ny vahoaka?
Izay fifanoherana izay no mila jerena akaiky sy tsy maintsy arahi-maso. Ataon’ny polisy na zandary folo, tsy ampy fitaovana, ahoana no hifanehitra amin’ny vahoaka an’arivony na an’aliny? Olona maimbo ra sy milanja kobay, tsy mihemotra amin’izay tifi-danitra na grenady. Olona efa tsy afaka ny mandinika na ny kely aza. Ny Malagasy rahateo mbola raha maty aho matesa rahavako. Aleo manaraka ny besinimaro toy izay sorona tsy lera!
r.r




