“Fagnontsafa” : Nanasongadinana ny kolontsaina betsimisaraka

Fanehoana firaisankina, fampahafantarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao betsimisaraka ny “Fagnotsafa”. Fihaonambe ihany koa ho an’ireo zanaky ny faritanin’i Toamasina aty Antananarivo.

Tontosa ny alahady teo ny “Fagnontsafa”, tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Hetsika iray natao hanasongadinana ny kolontsaina betsimisaraka amin’ny endriny rehetra izy ity, izay fikarakaran’ny Fikamba­nan’ny zanak’i Toamasina na ny Fizato. Fanehoana ny firaisankina eo amin’ireo iray fihaviana, izay milaravinahitra ivelan’i Toamasina no tena tanjona. Teo koa anefa ny famohazana, fampahafantarana, fa indrindra fanohizana ireo fomba amam-panao sy kolontsaina betsimisaraka, na dia lavitra ny tanindrazana aza.
Tsy afa-misaraka amin’ny fomba rehetra eto Madagasi­kara ny nofon-kena mitam-pihavanana. Nisy ny famonoana omby, narahin’ny fiaraha-misakafo araka ny fomba izay nolovaina. Nisongadina tamin’ izany ny fampiasana ny lambanan-draviny na ny ravinala ho solon’ny fitaovam-pihinanana. Mampiasa azy ity avokoa ireo avy any amin’ny faritanin’i Toamasina, indrindra rehefa fotoan-dehibe toa izao. Tohin’ny hetsika “Fandamba­nana”, izay natao ny taona 2024, ho fanasongadinana ny hainahandro betsimisaraka sy ny manodidina azy rehetra izany.
Naseho tamin’ny fitafy sy taovolo nentim-paharazana ihany koa ilay fampitana ny kolontsaina. Teo koa ny fanehoana ireo hira sy dihy vakodrazana toy ny basesa, osiky, arahin’ny tôkatôka, jijy, sns. Na izany aza, nomena sehatra koa ireo mpanakanto zanaky ny faritra, toa an’ireo mpanao Kaiamba, ry LJo, Fafasss, Roms Vavanjaka ary ny tarika Solo Mianadahy.
Fanamafisam-pihavanana rahateo ny “Fagnotsafa”, na inona na inona fironana ara-politika, ara-pinoana, sns, eo amin’ny samy zanaky ny faritra. Nisy koa ny fanentanana ho an’izay firaisankina izay sy ny fandraisana andraikitra ho an’ny fampandrosoana, nataon’ ny filoha mpisolo toerana ao amin’ny fikambanana Fizato. Manome fotoana ho an’ny hetsika amin’ny taona ho avy indray ny fikambanana.

Zo ny Aina

Partager sur: