Taorian’ny fiaraha-mientan’ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta tany Toamasina dia azo tsapain-tanana ny vokatra. Anisan’izany ny teo amin’ny filaminam-bahoaka. Niha nihena ny asa ratsy taorian’ny fitsidihana sy fihaonana manokana tamin’ny polisy sy ny minisitra Erick Michel.
Nivoitra nadritra ny fihaonana ny fiaraha-manombana ny ezaka efa natao sy nanomezana toromarika hiatrehana ny zava-mitranga ankehitriny. Nohamafisina ny fanohizana ny asa fampandriana fahalemana any an-toerana. Tra-tehaka na tsy tanteraka fa sarona mialoha ny fikotrehana fanafihana na fakana an-keriny. Nisy ihany koa ny trangana fahaverezan-jaza fa hita avokoa izy ireny.
Antony telo no tombanana ho nahitana vokatra tsara. Ny fiaraha-mientana amin’ny mpitandro filaminana hafa, ahitana ny zandary sy miaramila amin’ny fisafoana, na andro na alina. Torak’izany koa ny fanamafisana ny asa aman’andraikitry ny polisim-pirenena araka ny toromarika nomena azy ireo. Nohatevenina ny fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona sy ny fokontany ary ireo fikambanana samihafa.
Vonjy




