Fanampiana ara-pahasalamana mitentina 2,2 tapitrisa dolara no natolotry ny governemanta amerikanina, omaly. Ahitana lay misy odimoka maharitra miisa 1 tapitrisa izany, hotsinjaraina amin’ny alalan’ny tetikasa vatsian’i Etazonia vola (GHSC-PSM).
Hisitraka izany maimaimpoana ireo faritra ahitana ny fiakaran’ny aretina tazomoka izay mbola mamono mihitsy eto Madagasikara, indrindra any amin’ireo toerana alavitra toeram-pitsaboana.
Teo koa ny fitaovana ara-pahasalamana sy fampiasa amin’ny laboratoara maherin’ny 9 hetsy isa natolotra amin’ny alalan’ny fandaharanasa Strides. Ankoatra ireo, fitaovana miisa 33 hahafahan’ny distrika sy ireo fitaleavam-paritra ara-pahasalamana misitraka internet ihany koa. Fanampiana mamonjy aina sy hanorina fiarahamonina salama sy matanjaka no tanjon’i Etazonia ao anatin’ny fiaraha-miasa.
Nandray ireo fitaovana mivantana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Randrianirina Michaël. Nanolotra izany ny mpiandraiki-draharaha amerikanina, i Steve Bremner.
Anisan’ny mpiara-miombon’antoka matanjaka voalohany amin’ny sehatry ny fahasalamana ho an’i Madagasikara i Etazonia.
Tatiana A




