INDRAY MIJERY

Mivoaka tsikelikely ny voka-panadinana BEPC. Namoaka ny vokatra, omaly, ny Cisco Ambohidratrimo. Nahatratra 61, 89% ny taham-pahafahana. Efa tsindrin-daona ny tanora miandry ny vokatra amin’ny Cisco hafa. Miandry ny vokatra mihitsy vao afaka mandeha miala sasatra.

Ho an’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, indrindra ireo malaza sy mahasarika olona, efa mandeha sahady ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2026-2027. Tsy maintsy atao mialoha ny famandrihan-toerana raha tiana hianatra amin’ireny sekoly malaza ireny ny ankizy.

Betsaka ny ray aman-dreny nanapa-kevitra tsy handefa ny zanany hiala sasatra any amin’ny havana manoloana ny firongatry ny hala-jaza sy ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana. Hajanona ao an-trano ary mijery fahitalavitra mandra-paharivan’ny andro no atao na dia tsy mahasoa ny ankizy ihany koa aza izany.

Partager sur: