Tsy ampy paikady

 

Anisan’ny vaovao nanaitra tamin’ity herinandro ity ny mahakasika ny hatsiaka mamirifiry eto an-dRenivohitra. Sambany no nisy mponina namonjy toby fandraisana ny sahirana, tsy nahazaka. Tena zava-doza, mila tsy ho zakan’ny aina tokoa ny toetry ny andro amin’izao fotoana. Tsy mahagaga raha maro ny mila vonjy sy tolo-tanana. Firenena tsy manana politika matotra momba ny fiahiana sosialy ny sarambabem-bahoaka rahateo i Mada­gasikara.
Mila paikady matotra ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny. Anisan’ny firenena voalohany maneran-tany lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro rahateo isika. Marefo amin’ny lafiny rehetra. Mitaky pai­kady matotra sy afa-miatrika ny tsy ampoizina tahaka izao izany. Tsy vahaolana mandalo dia miserana no ilaina fa vahaolana mahakasika manontolo lehibe iray.
Mila mitady ny fomba hahafahana mametraka lamina sy maty paika ny fitondram-panjakana. Tokony ho sehatra iray hanombohana vava asa ny toetr’andro sy ny sosialim-bahoaka. Iaraha-mahalala fa tsy mbola afaka manapa-kevitra lehibe ny « Tetezamita » tarihin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Koa, fara faharatsiny mamolavola sy manolotra tolokevitra hoenti-miasa. Ilaina ny fandraisana andraikitra amin’izay vaindohan-draharaha sy loha lisitra.
Tao-trano tsy efan’ny irery anefa ny olana amin’ny resaka toetr’andro sy ny olana mifandraika amin’izany. Tsy hiandrasana fanjakana fa afaka mamolavola sy mitondra ny anjara birikiny izay vonona sy manan-kevitra. Ny indrokely eto amin’ny tanàna, betsaka sy mitobaka ny vola amin’ny resaka tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, saingy lany amin’ny atrikasa sy ny kivorivory. Lany amin’ny ravidravina atentina fa tsy asa mivaingana.
Tsy hita ifanomezan-tsiny izany, iaraha-mahita rahateo ny fomba fiasan’ny mpamatsy vola, homen-danja ny fandanianiam-poana mijanona eo amin’ny resaka fa tsy fanatanterahana.

r.r

Partager sur: