« Ultimate Show » : Tratra ny tanjona, afapo ny rehetra

Nanatanteraka ny tomban’ezaka tamin’ny nanatontosana ilay seho « Ultimate Show » ireo mpikarakara. Nanambara ny fahafaham-po sy fanantenana ny hiroso amin’ny lehibe kokoa hatrany.

Ny 5 jolay, teo amin’ny Parvis Stade Barea Mahamasina, no nanatanterahina ilay seho sehatra goavana « Ultimate Show », nahitana ny tarika Mage 4, Iraimbilanja ary Rheg The Gang. Omaly no nanome ny tomban’ezaka ireo mpikarakara sy niara-nanatontosa izany. « Ny Ultimate Show, nahazoana fahombiazana ary nahazoana lesona be dia be… Tanjona tamin’iny ny hanome zavatra goavana, hanome fahafaham-po… Tratra ny tanjona. Afapo ny mpikarakara, toy izany koa ny mpijery… ». Io no namehezan-dRamamonjisoa Rado, tompony sady mpitantana ny Garage Mozika mpikarakara. Nanolotra seho mendrika ny halehiben’ilay hetsika ihany koa ireo tarika nandray anjara, araka ny fanazavany hatrany… Afapo ny rehetra. Notsindriny ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny fanatontosana hetsika lehibe tahaka ireny.
« Ny zavatra sy ny traikefa azo, tsara tazonina. Izay tsy nety, harenina. Mbola ho avy ny andiany manaraka. Ampa­nan­tenaina fa hanao zavatra goavana sy tsaratsara kokoa hatrany… Manomboka eto, miverina amin’ny nahafantarana azy ny Garage Mozika. Amin’ny maha toeram-pisakafoana azy sy amin’ny maha mpanome sehatra ireo tanora vao misondrotra manan-talenta amin’ny mozika… ».
« Amin’ny manaraka, hivelatra amin’ny gadona hafa ny hetsika », hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny RN Event, anisan’ny nikarakara ny « Ultimate Show ». « Hipetraka eo amin’ny tantaran’ny rock sy metaly iny natao iny », hoy i Aina Nirina, avy ao amin’ny As Rock Show, izay mpiara-miasa tamin’ny fanatontosana ny « Ultimate Show ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: