BNGRC : Mipetraka ny drafitrasa EW4All 2024-2027.

Iankinan’ny fiainam-bahoaka ny fahafantarana mialoha ny toetr’andro sy ny fiantraikan’izany. Ilaina ny fiomanana mialoha. Ampiharina ny drafitrasa EW4All.

Mitohy anio ny atrikasa tanterahina eny amin’ny BNGRC mahakasika ny fifanakalozana ara-teknika iarahana amin’ireo mpisehatra rehetra. Dinihina mandritra izany ny fandrosoana vita, ireo fanamby sedraina ary ireo laharam-pahamehana amin’ny fampiharana ny hetsika ataon’ireo andry efatra anatin’ny drafitrasa Early Warnings for All (EW4ALL 2024–2027) na Fanairana mialoha ho an’ny rehetra.
Tanjona ny hananana rafitra fanairana mialoha, ma­homby sy mahafaoka ny rehetra. Eo koa ny hahatonga ara-potoana ny vaovao sy ny fanairana eny amin’ny vondrom-piarahamonina, hahafahan’ny manampahefana eny ifotony sy ny mponina mandray fepetra mialoha. Ham­pihena ny fahavoazana sy hiarovana aina manoloana ny loza mety hitranga izany.
Mitombo ireo loza voajanahary toy ny rivodoza, tondradrano, haintany ary hafanana tafahoatra ka manohy manamafy ny rafitra fanairana mialoha i Madagasikara, amin’­ny alalan’ny EW4All.
Tsy maintsy ifarimbonan’ireo andrimpanjakana maro ny fanatanterahana izany, mba hahitana vokatra tsara, araka ny fanazavana nentin-dRan­dria­marolaza Luc Andréas, tale jeneralin’ny Meteo Mada­gasikara.
Miezaka mifehy ny teknolojia, toy ny fandrefesana amin’ny toerana maro, ny ekipa teknika ao amin’ny Meteo. Hampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy na “IA” izany. Hahafahana mamantatra sy mampandre mialoha ny vaho­aka, hiarovana ny ainy sy ny fananany. Fampahalalana ny ambana na ny toerana heverina hipoiran’ireny trangana toetr’andro sy ny vokatra entiny ihany koa.
Efa misy ny famatsiam-bola manodidina ny 20 tapitrisa dolara, hanampiana ny fitaovana mari-pandrefesana. Eo koa ny foibe maneran-tany momba ny famantarana ny toetr’andro sy ny fiaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny COI.

Tatiana A

Partager sur: