Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny Jirama ny vaomieran’ny fanadihadiana parlemantera eo anivon’ny Anterinimierampirenena momba ny Jirama, omaly. ”Tsy ho afa-maina izay nanao ny tsy mety”, hoy ny filohan’ny vaomiera nandritra izany.
Tsy nitsitsy, hentitra… ny tenin’ny filohan’ny vaomieran’ny fanadihadiana parlemantera eo anivon’ny Antenimierampirenena momba ny Jirama, ny depiote Rakotoniaina Pety, teny Tsimbazaza, omaly. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny orinasa izy ireo. Misy vola be dia be omen’ny fitondram-panjakana ny Jirama, nefa tsy araka izay ny vokatra. Izay no mahatonga ny fanadihadiana. Mitondra amin’ny fahalalana ireo lesoka izany, hahazoana mandroso hevitra hanarenana azy. Inona no tena toe-draharahan’ny Jirama? Misy ny fanadihadian’ny fitsarana momba ny kaonty. Hanaovana fampitahana izay. Hohadihadiana izay manan-draharaha amin’ny Jirama sy amin’ireo mahalala ny momba azy: inona no tsy mampandeha azy, inona ny tena olana… ?
“Misy halatra ao amin ’ny Jirama”, hoy izy. Satria misy milina mpamokatra herinaratra tsy mandeha nefa aloan’ny fanjakana ihany ny hofany. Misy fifanarahana tao… Nefa ambony be… Be dia be ny lesoka: ahoana ny fomba tena hahalalana an’izay? Tsy ho afa-maina izay olona tomponandraikitra. Na nangala-bola izy, na nanao tsikombakomba, na nanao inona na inona. Notakin’ny vaomiera, ohatra, ny lisitry ny milina mpamokatra herinaratra sy ny orinasa mpampanofa, ny fifanarahana natao… Ao anatin’ny fanavaozana izao fanadihadiana parlemantera izao. Stratejika iankinan’ny aim-pirenena sy ny fiainan’ny olona ny Jirama. Milaza amin’ny vahoaka malagasy izy fa tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany ny fanadihadiana, na misy milaza aza fa misy “mafia” ao. Hampahafantarina matetitetika ny vahoaka ny asa vita. Tsy maintsy vitaina ao anatin’ny enim-bolana izay. Tokony hisy vokatra ny asan’ny Jirama. Matoa tsy misy vokatra, mandeha any amin’ny tsy tokony handehanany ny vola.
R. Nd.




