Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny maha ara-dalàna ny tetibolam-panjakana 2026. Midika izany fa laniny ny fampitomboana goavambe ny vola hoenti-miaro ny filohan’ny Fanavaozana, izay 6,8 miliara Ariary. Toy izany ny an-dry zareo ao amin’ny Antenimierampirenena, izay 89,8 miliara Ariary. Efa tsy azo iadian-kevitra intsony ireo.
Mifanandrify amin’izay anefa, nahena ny vola ho an’ny fanabeazana, ny fahasalamam-bahoaka. Vao omaly aza ny Praiminisitra, teny amin’ny fitokanana ny tranon’ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo, no nanitrikitrika fa tena tsy manao ny asany ilay governemanta. Ny mpamatsy vola sy ny vahiny no miantoka ny sakafon-dRamalagasy. Mahavariana tokoa fa izany anefa no nitolomana.
Raha zohina ny fandehan-draha, nijabaka mihitsy ireto milaza fa tena Gen Z. Indroa mahita ny maizina toy ny tain’omby nasesika an-davaka. Efa tsy nahita ravinavatra tamin’ny fizaran-tseza. Nivadihan’ny goaika antitra sy ny dinaozaoro. Notaingenan’ny tsy mpitaingina soavaly maty ny tolona. Matimaty fahatany, naratra tsy tamin’antony ilay nitaky fanavaozana tamin’ny fony.
Angaha hita e! Fomban’ny mpanao politika rahateo ny manao tsindrio fa lavo. Raha noheverina fa amin’izao fotoana izao no mba hamerenan-kasina ny mpampianatra sy ny mpanabe. Toraka izany ny mpitsabo, izay mpiahy ilay harembe voalohan’ny Malagasy. Inona akory no eo! Very amin’ny katesizy daholo. Tratry ny tian-kano tsy tian-kano; tsy maintsy manaiky aloha fa resy indray ry tanora.
Raha fintinina ny zava-misy amin’izao fotoana izao, tsy misy tokony hahagaga fa efa izay ilay fanaovana politika eto amin’ny tanàna. Raha nisy zava-baovao, niala tamin’izay tsy fahita hatrizay angamba no tokony hampidonaka. Hatreto, voahaja ny lojikan’ny mpanao politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
r.r




