Tontosa omaly ny fanolorana ny loka ireo nisongadina tamin’ilay fifaninanana « Le quiz de la poésie africaine ». Natao hanasongadinana ny literatiora afrikanina izany.
Nikatona ilay fifaninanana «Le quiz de la poésie africaine, Jacques Rabemananjara – Martial Sinda», ho an’i Madagasikara. Notolorana ny lokany, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy, ireo nisongadina tamin’ireo mpifaninana. Rabarinativo Miangola Ony no nandrombaka ny laharana voalohany. Nanaraka azy tao kosa i Tsarovana Liantsoa Mampionona sy Randrianatoandro Tiana Andrianina.
Natomboka tamin’ny volana marsa 2025, nandritra ny andiany faha-22 tamin’ny “Printemps des poètes des Afriques et d’ailleurs» tany Paris, ity fifaninanana ity. Ny hetsika izay naorina sady tarihin’ny poeta sy mpampianatra eny amin’ny oniversite, Thierry Sinda, ary tarihin’ny mpilalao tantara sy talen-tsehatra, Moa Abaïd.
Ho an’ny andiany faha-23, amin’ity taona 2026 ity, niara-niasa voalohany tamin’ny mpikarakara ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara ka izy no nandrindra ny fanolorana loka ho an’ireo nahazo ny laharana voalohany teto Madagasikara. Ny Quiz Po’ dia mikendry ny hampahafantatra bebe kokoa ny tanora ny literatiora afrikanina sy ireo mpanoratra malaza manerana an’i Afrika, indrindra ireo Malagasy mpanoratra, ary hanentana azy ireo hamaky boky sy hikolokolo ny kolontsaina sy ny lova ara-tsoratra.
Tsiahivina fa Jacques Rabemananjara sy Martial Sinda dia anisan’ireo poeta afrikanina lehibe izay nampiasa ny haisoratra ho fitaovana niadiana tamin’ny fanjanahan-tany sy niaro ny maha izy ny fireneny.
Zo ny Aina




