Atao amin’ny teny malagasy : Laharam-pahamehana ny fampianarana

Manomboka tazana eny amin’ny tambajotran-tserasera ny famoahana lahatsoratra na fampahafantarana didy aman-dalàna na fanapahan-kevitra voasoratra amin’ny teny malagasy. Efa dingana lehibe sy fahasahiana goavana ny tahaka izany. Mbola mitoetra ho laharam-pahamehana kosa, anefa, ny fampianarana ny zaza na ny taranaka malagasy amin’ny tenin-drazany. Io no mila ahitsy haingana.
Ampianarina sy beazina amin’ny teny malagasy ny Malagasy, satria, izay no lamina voajanahary. Io no hany tokana ahafahan’ny Malagasy sy i Madagasikara handroso amin’ny tokony ho izy. Raha tsy mbola izay no tanteraka, tsy ho lasa lavitra i Mada­gasikara. Hobadoin’ny vahiny eto hatrany. Rehefa amin’ny tenin-drazana ny fampianarana. Halamina hanaraka izany ny fandaharam-pianarana sy ireo taranja hianarana. Mila mahafantatra ny momba azy sy ny tanindrazany ary ny tanin-drazany ny Malagasy… Miaina amin’ny maha izy azy ny Malagasy sy i Madaga­sikara fa tsy hisalovana sy hihambo ary hirehareha amin’ny an’ny hafa.
… Manana ny maha izy azy, hono, ny Malagasy? Ny tenin-drazany aza tsy ampiasainy hanabeazana ny taranany akory, kanefa, io no iray amin’ireo maha izy azy ny olona tsirairay sy ny firenena iray manontolo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: