Raha misy olona mora tohina sy handairan’ny fandranitana ary ny fifampihantsiana angamba dia ny Malagasy. Tranga maromaro tao amin’ny tambajotran-tserasera no ahitana taratra izany ny faran’ny herinandro lasa teo. Misy ny mivoy resa-poko, misy ny mifamotika amin’ny resaka filahiana sy ny sarim-bavy. Ny mpivavaka koa mifanala baraka, mifampidaroka amin’ny totohondry “masina” izao.
Toa voaporofo ny maha olon’ny fo diso tafahoatra. Tsy afaka ny mandanjalanja firy intsony na mametraka fanontaniana. Faly ny mifamaly bontana tsy misy porofo na fanadihadiana. Ny zava-doza mety hitarika amin’ny fifamonoana mivantana na ankolaka mihitsy. Entin’ny hafanam-po dia miova tsikelikely ho mpankafy herisetra sy fampiasan-kery. Hita taratra amin’ny famaliana sy fifampizaran-kevitra amin’ny ranty izany.
Mampanahy ny fomba fisaina sy ny fanaovana serasera, ankehitriny. Mivadika ho tombontsoan’ny tena manokana ny zava-drehetra ka na marina na lainga dia efa arantiranty. Tsy misy fijerena izay fiantraikany any amin’ny olona kinendry. Matetika ireo olona noheverina fa mpiambina ny marina sy ny rariny no tena mpanao azy ity. Asa matoky tena fa tsy ho tratry ny aloka angaha?
Misy ireo misora-tena toa tompon’ny lakile ka tsy afaka ny manokatra ny saina na kely fotsiny aza. Jamban’ny vola kely atsipitsipin’ny mpanana dia mitatatata aoka izany. Irahana mamotika olona dia mihazakazaka ny mampiaka-peo. Tsy mety fay sy maka lesona ny sasany. Anatin’ny indray mipy maso anefa ny mainty dia mety ho lasa fotsy tampoka. Tsy misy tsy vitan’ny vola rahateo, izay tsy manao ihany no tsy mahazo.
Atsipy ihany anefa ny tady an-tandroky ny omby, zaraina foana ny teny ao am-pon’ny mahalala! Asakasak’izay minia ho jamba.
r.r




