Mampiaka-peo ny henjana

 

Nampiaka-peo ny filohan’ny Fanavaozana ny Repo­blika mahakasika ny resaka famatsiana jiro any Toama­sina. Efa afapo tamin’ny kiandrasoandraso izao ny fanjakana. Tsy mahavita ny iraka ankinina aminy ny orinasa tsy miankina nametrahana fitokisana. Mirona any amin’ny vahoaka kokoa ny fanjakana, raha ny kisary tiana havoaka. Miandry vokatra azo tsapain-tanana, araka izany, ny sarambabem-bahoaka.
Ela niandrasana tokoa ny mponina ao Toamasina. Efa mazava rahateo ny tatitry ny fanjakana mahakasika ny vonjy voina fa nisy ny andraikitra ifampizarana. Nilaza ho afapo sy nahavita ny anjarany ny fanjakana. Midika izany fa ho mafimafy ny tsindry sy fanaraha-maso ho an’ ireo bevinany. Zary ilay mpitondra malagasy foana no maty henjika sy voaloto amin’ny ataon’ny sasany, izay mihalangalana sy mamahan-dalitra.
Etsy ankilany izany, mila mihenjana hatrany ny fanjakana fa tsy hiandry ny filohan’ny Fanavaozana lava izao. Tena mihorohoro anie ny vahoaka ankehitriny amin’ity fatin’olona etsy sy eroa ity! Ekena fa misy ny fahafate­sana noho ny loza, saingy maro loatra ny vokatry ny asan’ ny ratsy. Vao tsy hita amin’izao fotoana izao dia efa manam­boatra saina ny fianakaviana hoe miandry razana. Tena marefo ny saina amam-panahy. Mihoronkoditra mahita ny vaovao mivoaka isan’andro.
Mandra-paharahoviana no hiaritra izany? Tena mandry tsy lavo loha ara-bakiteny, ankehitriny. Mihorohoro ny isan-tokantrano. Tsy sahy mivoaka ny trano ny ankizy na hilalao aza. Mitaintaina fa sao very. Manahy sao hisy hamono. Tsy ny fianakavian’ny lasibatra ihany no matin’ ny tahotra, voakasika avokoa ny sarambabem-bahoaka. Very fanahy mbola velona ilay Malagasy. Niala an’Anka­tso dia Ambohidempona ilay raharaha manga eto amin’ ny tanàna.

r.r

Partager sur: