Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, fa ny kolikoly no tena fahavalo. Nanteriny tamin’ny fahatsiarovana ny faha-78 taona nitifirana ireo dimy lahy, mahery fon’ny firenena (1947-1948), teo Ampitifirana Ankatso izany, afakomaly. «Kolikoly koa ny fijerena tombontsoa manokana aminy fanapahan-kevitra », hoy izy.
Hampidirina amin’ny fandaharam-pianarana ny kolontsaina ara-politika, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana. Hampiharina amin’ny taom-pianarana ho avy izany ary iarahan’ny minisitera sy mpahay tantara mamolavola. « Asongadina ny tena tantaran’i Madagasikara, momba ireo
tolona nolalovan’ny firenena », hoy izy.
Hanakaiky vahoaka eny anivon’ny distrika ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. « Tanjona
ny hahafahana mamantatra ny zava-misy marina eny ifotony, hanitsiana ny lesoka ary ilaina koa ny hanamafisana ny fitokisan’ny olom-pirenena ny fitsarana. Fitsarana manakaiky ny vahoaka, antoky ny fanjakana tan-dalàna », hoy ny fanambarana.
Notolorana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national malagasy” ny solontena maharitra sady tale misahana an’i Madagasikara ao amin’ny Fida, Joseph Rostand Olinga Biwole. Nanolotra izany, tetsy Anosy, ny minisitry ny Foloalindahy sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Ely Razafitombo.




