Governemanta T.I.M !

Teo Ihany no Miverina ( TIM) ! Vita ny fanovana governemanta, izay nandrasan’ny maro. Tsy nozoviana amin’ny besinimaro ny anaran’ny mpikambana vaovao. Mpanao politika sy teknisianina efa nitana andraikitra, indrindra niara-dalana tamin’ny Filoha hatrany amin’ny tetezamita. Andaniny, maro ny faly ny mpanohana fitondrana, indrindra fa ny akaman’ny tsy very seza.
Ankilany, betsaka ny kivy. Anisan’ireny ny fikambanana madinika, mandrafitra ny fototry ny fitondrana. Nisy ny nanangana saina fotsy, nahatsapa tena ho resy sy voatsipaka am-bavafo. Nisy ny nampanantenaina sy nohenoina fa hahazo ny anjara sezany, hoenti-miasa amin’izay. Indrisy anefa ! Tratran’ny ronono an-tavo. Fizaran-tseza ho an’ny akamakama no betsaka.
Hafakely ny fampahafantarana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny governemantan’Atoa Ntsay Christian. Sambany tao anatin’ny 60 taona, nasaina nihaino ny anarany tany an-trano izay ho minisitra. Nandray ny vaovao tamin’ny alalan’ny fahitalavitra sy onjam-peom-pirenena. Tsy hay mazava ny antony. Mety ho tahotra ny hifanehatra tamin’ny mpitolona niaka-dapa, hatreny Iavoloha omaly, nanolotra ny olony. Hatramin’ny fahavitan’ny fanonona anarana tamin’ny haino aman-jery, nisy ny tsy nino fa efa nivoaka ny lisitra ofisialy.
Sady tahotra no ady am-pitaka ny kisary nivoaka tamin’ity lamina ity. Mampanahy sao ho endriky ny fomba fiasa amin’ny ho avy. Taratry ny tsy fahasahiana hifanatrika amin’ny tena nitolona sy may volon-tratra nanomboka ny taona 2009?
Voalaza fa hanomana fifidianana sy hanao izay hampandaniana ny filoha izy ireo. Saingy efa samy nanana ny tantarany nahabe resaka ny ankamaroany. Mampametra-panontaniana ity miverin-dalana amin’ny olona efa nailika ity. Fihetsika manome vahana ireo mpametaka anaran-bosotra sy mpaneso ary mainka handoto ny fitondrana !

Randria  

Partager sur: