Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana: « Tsy ananana antra ny mpamono olona»

Hentitra ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ma­no­loana ny hala-jaza sy vono olona mahazo laka amin’izao fotoana izao. Nambarany fa ho henjana ny fepetra horaisin’ny fitondram-panjakana ho an’izay tratra.
«Mbola misy ilay tranga amin’izao fotoana izao ka ezahina ny hanajanonana izany haingana sy anatin’ny fotoana fohy. Tsy ananana antra ireo tratra fa hihatra ny lalàna. Hiasa sy ho hentitra ny fitsarana amin’ny fampiharana izany», hoy izy, tetsy amin’ny fitsarana an-tampony, Anosy, omaly. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fanelanelanan’ny havany amin’ireo tratra amin’izany.
Momba ny fizotry ny fanadihadiana kosa, notsiahiviny fa mijanona ho tsiambaratelo aloha izao ny famotorana. Ny antony, manampy ny olon-drasy hanafina ny porofo izany, araka ny nambarany hatrany.
Anisan’ny nohamafisin’ny lehiben’ny governemanta fa ilaina ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Tokony ho tsaraina koa anefa izy ireny rehefa manao ny tsy mety eto amin’ny firenena. Araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Fanava­ozana ny Repoblika, tokony ho fitsarana iray sy tokana ihany ny eto. « Tsy tokony hisy fitsarana manokana ny mpitondra ambony izany », hoy ihany izy.

Fampahafantarana

Tsiahivina fa nomarihina nanomboka tamin’io omaly io ny faha-65 taonan’ny fitsarana tampony. Hitohy hatramin’ny 24 jolay izao izany. Hisy ny fampahafantarana ho an’ny rehetra ny momba izany fitsarana tampony izany sy ireo rafi-pitsarana hafa. Eo koa ny famelabelaran-kevitra ary ny fampirantiana. Hitohy anio, amin’ny fampahafantarana ny fitsarana ara-bola izany. Ny alakamisy kosa, natao ho an’ny filankevi-panjakana ary mamarana izany ny zoma izao ny fampahafantarana ho an’ny rehetra ny eo anivon’ny fitsarana fandravana didy.

Synèse R.

Partager sur: