Tsy mbola anatin’ireo lahadinika ny hanenjehana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimbazaza. Nanteriny kosa fa tsy ampy raha 12 andro no hivorian’izy ireo. Tsiahivina fa aorian’ny fivorian’ny parlemantan’ny Sadc vao hatao ny fivoriana tsy ara-potoana.
Tsy tokony hatao an-kamehana ny fikaonandoham-pirenena na hihazakazahana, araka ny nambaran’ny depiote, Ratsiraka Roland. Nanteriny fa aleo hiasa am-pilaminana amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana izany ny eo anivon’ny FFKM sy ny minisitera misahana ny Fanavaozana. Notakiny koa ny handravana ny Ceni aorian’ny fikaonandoha.
Hametraka rafitra mahomby iaraha-miasa ny eo anivon’ireo ben’ny Tanàna aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AVCOI). Mivory etsy amin’ny Lapan’ny tanàna izy ireo, amin’izao fotoana ary midinika ny fiaha-miombona antoka eo amin’ny toekarena sy ny sosialy ary ny kolontsaina. Tsiahivina fa miompana amin’ny tanora ny lohahevitra.
Namoaka fanambarana ny antoko Tim fa miato aloha ny fifidianana na fanendrena ny mpitarika isan’ambaratonga, manomboka any anivon’ny fokontany sy kaominina ary koa ny distrika hatreny amin’ny faritra. « Miandry naoty avokoa isika mpikambana aloha. Manohy ny asany ireo mpitantana am-perinasa rehetra », hoy ny birao politikan’ny Tim.




