20 taona nitantanana ny Fi.Mpi.Ma : Hampita fanilo Andriamboavonjy Hanitriniaina

Anio no hanamarika ny faha-20 taona nitantanany ny Fikambanan’ny mpikabary ma­lagasy maneran-tany (Fi. Mpi.Ma) Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala. Amin’ny alalan’ny hetsika « Tafasirim-pifaliana », hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena Ampefiloha. Izy no vehivavy voalohany nitondra ity fikambanana zokiny indrindra amin’ ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity.
Ao anatin’ny fampahafantarana ny « Tafasirim-pifaliana » no nametrahan’ny komity mpikarakara fa omena lanja lehibe, anio, ny « tsiaro ny vita, fampitana fanilo, fitodihana an-tseranana ». Manamafy izany ny: « Nanohy, nanatsara, niroso hatrany hatrany… Eto kosa isi­ka no hamarana izany ».
Nandritra ny 20 taona ni­tantanan’Andriamboavonjy Hanitriniaina ny Fi.Mpi.Ma no nahitana fivelarana lehibe teo amin’ity fikambanana ity, raha jerena amin’ny isan’ny sampana na rantsana vao niorina eto an-toerana sy any ivelany. Ta­haka izany ihany koa ireo hetsika notanterahina. Nofi­diany ma­nokana hanafana ity hetsika «Tafasirim-pifaliana» ity ny Za­nabaliha sy ny feom-balihan’ireo tanora mandrafitra azy.
Marihina fa ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra izao no hanatanterahina ny «Zaika­be» Fi.Mpi.Ma, any Mahajan­ga. Fotoana hanatontosana ihany koa ireo fifidianana izay hitantana ny isan’ambaratonga ho an’ity fikambanana ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: