TARATRY ny KANTO

Fampianarana zavakanto. Mahay mampita ny Malagasy? Fahiny, tsy mba nisy ny sekoly nentin’ny Malagasy nampita na nizara fahaizana ho an’ny hafa. Ny fanarahana ny zokiolona mikabary no nanazatra sy nitaiza tsikelikely ho tonga mpikabary. Ny sofina mandre sy ny maso mahita ny fomba hitendren’Ikaky na Ineny ny valiha no nametraka ny fahaizana mitendry ity zavamaneno ity ao amin’ny zanany na ny zafikeliny. Tahaka izany hatrany. Mahay nampita ny Malagasy fa tsy azo hodian-tsy hita ihany koa fa manana fomba fandraisam-pahalalana goavana be ny Ntaolo.
Ao anatin’ny fahavononana tanteraka ny tarika Ny Railovy. Io no mamintina ny tafa nifanaovana tamin’ny mpikambana ao amin’ny tarika. Ny mpitia zavakanto rahateo efa dodona mafy, satria, efa ela ihany no tsy nahitana ity tarika ity niseho sehatra lehibe tahaka izao. Ny alahady 26 jolay, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny Amphi CCI Ivato no hifamotoana amin’ny mpijery izy 9 mianaka, hamerina indray ireo kalo tsy afaka am-bavan’ny olona maro tao anatin’ny 70 taona nisian’ny tarika Ny Railovy.
Mila tokotany be ny isam-pokontany. Ao anatin’ny fialantsasatra lehibe tahaka izao no mampiharihary ny tsy fahampian’ny lalao ho an’ny tanora. Raha izao no mitohy, tsy ho hita mivaingana intsony ny vokatsoa azo avy amin’ny fialantsasatra. Tsy mahita atao? Tsy mivoaka ny trano. Milalao « jeux » eo am-pandriana ny androatokon’ny andro, sns. Mila haverina eny an-kianja na eny an-tokotany be ireo lalao fahiny.

Partager sur: