Nilamina amin’ny ankapobeny ny fanombohan’ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. Maro ny mpiadina tsy tonga tao Alaotra Mangoro sy Atsinanana.
Tsy nisy olana goavana, amin’ny ankapobeny, ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. Nisy anefa ny tranga vitsivitsy nahitana fandikan-dalàna. Efa noraisina avy hatrany ny fepetra mifanaraka amin’ny fitsipika, araka ny nambaran’ny Tale jeneralin’ny fampianarana ambaratonga ambony, Pr Raherinirina Angelo. Anisan’ ny fandikan-dalàna voamarina nandritra ny andro voalohany ny fitondrana finday tao amin’ny ivontoeram-panadinana. Tamin’ny fanamarinana ireo finday tratra no nahitana resaka nifanaovana tao anatin’ny vondrona maro milaza ho manana laza adina.
Efa natolotra ny tomponandraikitra izy ireo. Nandraisana fepetra araka ny lalàna. Voamarina fa diso sy foronina ny laza adina nozaraina tao anatiny ka fisolokiana no tena tanjona. Manentana ny rehetra mbola mpikambana na mandray anjara amin’ireny vondrona ireny ny minisitera mpiahy mba hiala avy hatrany. Efa mandeha ny fanadihadiana ary hampiharina amin’izay rehetra voakasika ny lalàna. Manamafy ny minisitera fa tsy misy laza adina mivoaka mialoha. Tsy tokony ho voafitaka na ho voasoloky ny rehetra.
Mpiadina 548 tsy tonga
Nizotra soa aman-tsara tahaka izany koa, teo am-piadohana hatramin’ny andro faharoa, ny fanadinam-panjakana bakalorea ho an’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Manamafy izany ny fanazavana voaray avy amin’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, dokotera Razanakolona Diny. Ankoatra izay, maromaro ny mpiadina tsy tonga. Nahatratra 548 izany, omaly, avy amin’ ny faritra roa dia Atsinanana sy Alaotra Mangoro, izay ahitana ivontoeram-panadinana miisa 54.
Ho an’ny faritra Atsinanana hatrany, sambany nametrahana ivontoeram-panadinana ao Mahavelona Foulpointe. Tanjona ny hitsinjovana ny mpiandina avy amin’ny distrikan’i Toamasina II. “Hentitra ny fanaraha-maso ary tsy ekena ny fitondrana finday sy fitaovana elektronika maro samihafa hatramin’ny famantaranandro connectée”, hoy hatrany ny fanazavana. Nohamafisin’ny filohan’ny Oniversite hatrany fa iray volana aorian’ny fiantombohan’ny fanadinana ny famoahana ny vokatra.
Vonjy sy Sajo




