Iray andro taorian’ny tsy fahitana ny Dr Hortensia, tovovavy 27 taona, sy nanaovana ombay mitady azy tamin’ny tambajotran-tserasera, hita faty tao amin’ny Chute Andriamamovoka, ao amin’ny faritra Ranomafana, ny vatana mangatsiakany, omaly maraina. Latsaka tany anaty haram-bato lalina, ao Ranomafana, ny tenany ka nampanano sarotra ny fakan’ny vondrona mpamonjy voina ny razana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny vao nandre ny vaovao. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahafatesany fa efa misokatra ny fanadihadiana. Nambaran’ ny fianakaviana akaiky azy fa nandalo fotoan-tsarotra ara-tsaina izy, tao anatin’ny olana manokana, talohan’izao fotoana izao. Nisy nahita tany Ranomafana ny kitapony sy ny findainy. Avy niala sasatra tany amin’ny zokiny, tao Ihosy, izy ary nikasa hody any Fianarantsoa, raha ny fanazavana avy amin’ny fianakaviany hatrany. Mbola tratra antso tamin’ny findainy izy teny am-pandehanana hamonjy fodiana any Fianarantsoa, saingy avy eo tsy tratra antso intsony, iray andro talohan’io tranga io. Tsy tafody tany an-tranony intsony ihany koa ary izao hita faty izao. Tovovavy tso-piaina ary misariaka amin’ny olona rehetra ny Dr Hortensia. Vao nahavita ny Fanohanana voka-pikarohana amin’ny maha dokotera azy izy iray volana lasa. Efa niasa tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Fianarantsoa ary nikasa ny hanohy ny andranasany aty an-dRenivohitra izao hita faty izao.
Manoloana ny zava-misy, noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, ny fananganana ny Task force miady amin’ny halatra olona.
Mino




